Sosialy

Fahataran’ny karaman’ny PAT eny Ankatso “Ny tompon’andraikitra ara-bolan’ny oniversite no fositra”


  • Talata 17 Mey 2022

Miverina indray ny grevin’ny mpandraharaha PAT (Personnel Admnisitratif et Technique) eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Nisy tokoa fahatarana kely marina ny karama volana martsa. Efa nitondrana fanazavana fa noho ny fanovana, dia nisy ny fitsirihana sy fanamarinana natao “état de payement” mba ho ara-dalàna sy manaraka ny tokony ho izy ny vola tena sitrahana, hoy ny Tale ara-bolan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Atoa Brysola Rajaonarivelo. Nomarihiny fa mba ho fanitsiana ny fahatarana sy tsy hiverimberenan’izany no nandraisana fanapahan-kevitra natolotry ny minisitera ny 04 aprily 2022 nankany amin’ny Oniversite, IST (Institut Supérieur de Téchnologie) fa ny karama telo volana (aprily, may, jona) no nangatahana pitsopitsony amin’izay afaka mangataka DAE (Démande d’Autorisation d’Engagement) telo volana, fa ny “engagement budgétaire” no atao isam-bolana arakaraka ny zava-misy. Nohazavainy fa ny oniversite rehetra ankoatran’ny eto Antananarivo no efa nandefa an’io “état de payment” io, raha toa ka ny aprily ihany no nataon’ny eny Ankatso. Efa saika nahazo daholo, ankoatran’ny eto Antananarivo, izay nisy fahatarana kely satria tamin’ny lafiny “mandatement”, dia nisy fitavozavozana, raha vantanina ny tian’ny minisitera horesahana. Efa niditra nanomboka omaly ny fandoavana ny karaman’ireo PAT rehetra any amin’ny Oniversite ho an’ny faritany, tsy misy atahorana ny tokony hivoahan’ny karaman’ny PAT, IST, CROUA mialohan’ny faha-20 volana. Tsy nandefa afatsy ny “engagement” ho an’ny volana aprily kosa ho an’Antananarivo. Hatramin’ny omaly 16 may 2022, mbola tsy tonga eo am-pelantanan’ny Minisitera ny “Etat de payement” ho an’ny PAT eny Ankatso. Manana ny “service de solde” sy manana ny Tale ara-bola ihany koa ny oniversite, ka ry zareo no manao ny “etat de payement” izay soniavin’ny “ordonateur”, ary ny minisitera no manao ny dingana. Raha nanaraka ny antso sy toromariky ny Minisitera, dia tokony hisitraka ny karama, ny oniversite rehetra ankoatra an’Antananarivo no hivoaka mialohan’ny 20 may ny karama satria efa niakatra any amin’ny tahirimbolam-panjakana, hoy ny fanazavana. Ny oniversiten’Antananarivo tsy namaly ny fandaminana natao no anton’ny fahatarana, fa tsy fahadisoana avy amin’ny Minisitera. Tsy voafaritry ny minisitera ny faharetan’ny dingana any amin’ny famoaham-bola, ka izay no nangatahana hoe: tonga dia alefaso ny “état de payement” telo volana ka nahoana ny hafa no mahavita fa ny oniversiten’Antananarivo tsy mahavita? hoy hatrany eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT