Sosialy

Fahatapahan’ny rano am-bolana maro Nangotraka indray ny grevin’ny mpianatr’Ankatso


  • Zoma 03 Febroary 2023

Fahatapahan’ny rano am-bolana maro Nangotra indray ny grevin’ny mpianatr’Akantso Nafana indray ny fihetsiketsehan’ny mpianatra teny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo eny Ankatso omaly noho ny olana ara-drano.

Samy misedra an’io na ny enyy Ankatso I na Ankatso II. Efa 5 volana no voalaza fa tsy nisy famatsian-drano, ary milaza ireo mpianatra fa telo volana tsy nahitam-bokany ny fangatahana rano. Voatery mividy rano 800 hatramin’ny 1500Ar isaky ny bidon 20L. Raikitra noho izany ny fitokonana ka nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ireo mpianatra. Tranga tsy vao androany, fa efa mateti-pitranga eny Ankatso. Vahaolana aroson’ny tompon’andraikitra raha ny hita hatrizay moa ny fampiasana ny “citerne”. “Ahoana ny ahafahan’ny “citerne” manatitra rano any amin’ny “bloc” tsirairay, izay misy olona 25 isanisany? Ny ranonay mandeha no tadiavinay. Mangataka ny hanomezana famatsiana na “source” vaovao”, hoy ireo mpianatra. Na teo aza izany, “citerne” no vahaolana vonjimaika naroson'ny Ministeran'ny Rano sy ny JIRAMA ary ny CROUA ho an'ny mpianatra taorian'ny fitokonana nataon'izy ireo. Eo ihany koa ny fifandimbiasan'ny famatsiana rano ho an'ny faritra ambany amin'ny faritra ambony. Nivoitra tamin’ny fihaonana fikaroham-bahaolana omaly ihany koa fa hampitomboina sy havaozina ny famatsian-drano amin'ireo tranon’ny mpianatra voakasik'ity olana ity. Ny 𝐂𝐑𝐎𝐔𝐀 no hanao ny fangatahana mandritra izany. Nojerena koa ireo fantsona tranainy sy ireo fantsona tsy ara-dalàna teny amin'ny tranon'ny mpianatra Ankatso II. Raha araka ny fanazavan’ny teknisian'ny JIRAMA mantsy dia izany no tena olana fototra tsy hahazon’ireo mpianatra ireo rano ankoatra ny fahanteran’ny foto-drafitrasa. Manantena araka izany ireo mpianatra fa hivaha tsy ho ela ny olana. Mialoha izany anefa dia tsy nanaiky ireo mpianatra fa tsy maintsy novatsiana rano tamin’ny alalan’ireo fiarabe mandehandeha omaly. Hitokona foana moa ireo mpianatra ireo raha tsy miverina ara-dalana ny ranon’izy ireo.

Pati sy Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT