Sosialy

Fahatapahan’ny famatsian-drano Fantsona tranainy vaky teny Nanisana no fositra


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Fantson-drano tranainy mitondra rano fisotro madio 800 m³ isan’ora no vaky teny amin’ny Rond point Nanisana nandritra ny famindran-toerana sy fanovana azy ho vaovao ao anatin’ilay tetikasa goavam-be fanamboarana ny Rocade Est eny an-toerana.

 

 

 

Antony nampihitatra ny fahatapahana hatramin’ny omaly atoandro izany raha araka ny fanazavan-dRakotonandraina Solofo, tale teknika misahana ny rano eto Antananarivo na dia nezahina novitaina afak’omaly aza ny asa ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Tsiahivina moa fa efa am-bolana ny orinasa JIRAMA no nampiomanana ny mponina amin’ny faritra avaratr’Antananarivo sy afovoany fa tsy maintsy hisy fahatapahan-drano eny an-toerana noho ny famindrana ireo fantsona ao ambanin’ity rond point eny Nanisana ity. Fantsona tranainy maromaro mandritra izany no tsy maintsy nosoloina vaovao saingy nampihitatra ny asa ny fahavakisan’ireo fantsona sasany teny am-panatanterahana ny asa. Anisan’ireo fokontany voakasik’ity fahatapahana azo ambara fa goavana ity i Ankerana Ankadindramamy - oamanandrariny - Ambatobe - Mandrosoa - Masinandriana - Analamahitsy cité - Analamahitsy tanàna - Andranobevava -Andrononobe - Andafiavaratra - Ambohitrarahaba - Antanandrano - Manjaka - Ambohipanja - Ankadikely - Ilafy - antsampandrano - andranovelona - ambohitraina - ambodivoanjo - androhibe - Ampetsapetsa - Ivandry - Mahatony - Alarobia - Amboniloha - Soavimasoandro - Amorona - Ambaravarankazo.Na izany aza dia nampanantena ity tale teknika ity fa ezahina hohafainganina ny asa koa miala tsiny amin’ny fanelingelenana izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT