Sosialy

Fahatapahan-jiro Sady manimba sakafo no manimba fitaovana


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Ho an’ireo faritra izay tsy tapaka maraina dia ny hariva no tapaka ny jiro ho an’ireo fokontany eto Antananarivo renivohitra aloha, raha ny tsikaritra hatreto.

 

 

 

 

 

Mitaraina amin’ny fahasimban’ny sakafo sy ny fitaovana vokatr’izany ireo mpanjifan’ny Jirama. Indrindra moa ireo mpivarotra hani-masaka sy mila mitahiry sakafo anaty vata fampangatsiahana. Eo am-pandrahoana sakafo amin’ny “Rice coocker” hatrany no tapaka ny jiro ny an’ny sasany hany ka simba hatramin’ilay fitaovana. Ny sakafo tehirizina anaty vata fampangatsiahana etsy ankilany masiso. Ny fanahian’ny mpanjifa amin’ny resaka mety ho fidanganan’ny vidin-jiro atsy ho atsy koa anefa mipetraka sahady, raha ny fanadihadiana natao. Ny vola mitombo hatrany no aloha saingy ny vokatra miha tsy mahafa-po.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT