Sosialy

Fahatapahan-jiro diso tafahoatra Miantso ny vahoaka hitsangana ny mponin’i Soavimasoandro


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Ny fahatapahan-jiro matetika no anisan’ny tena mampitaraina fatratra ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Sady manimba fitaovana mantsy izany no manimba ny asa fitadiavam-bola ihany koa, antony nampitroatra ireo vahoakan’i Soavimasoandro. Ho an’ireo manokana dia tapaka in-telo isan’andro ny jiro raha tokony indray mandeha isan’andro ihany izany raha ny fampanantenana nataon’ny orinasa JIRAMA. Miantso ny vahoaka Malagasy mba hitsangana araka izany izy ireo fa tsyh hanaiky hampijaliana lalandava toy izao foana. Ny faktiora anefa eo an-daniny tsy mihena fa vao mainka mitombo aza. Toraka izany koa ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany fahaenina avy amin’ny antoko TIM. Nambarany fa tena hampahantrain’ny fanjakana sy hampandadiziny amin’ny tany mihitsy ny vahoaka madinika. Ny mahavariana hoy izy ho an’ireo toerana avo na ny "quartier résidentiel" izay hitoeran'ny mpanambola dia tsy misy jiro tapaka mihitsy nefa ireny olona ireny mety manana fahafahana milina mpamokatra herinaratra. Rehefa tsy vitan’ny fanjakana intsony hoy izy ny fitantanana ny firenena dia atsipazo any amin’ny vahoaka izany fa tena mivoaka sempotra ny isan-tokantrano.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT