Fahatapahan-drano lavareny

Nitroatra ny mponin’i Tsarahonenana


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Mihamafy ny olana ara-tsosialy izay mivadika ho fihetsiketsehana samihafa.

Raikitra indray mantsy ny grevy teny amin’ny fokontany Tsarahonenana anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo omaly. Antony ny fahatapahan-drano lavareny, ka raha ny filazan’ny mponina dia efa ho 4 efatra volana no niainana an’izany. Raikitra noho izany ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana, ka nikorontana sy nikatso hatramin’ny fifamoivoizana teny an-toerana. Tsy vao sambany no nisiana hetsika tahaka izao teny amin’ny manodidina iny toerana iny satria efa nisy ihany koa ny hetsika mahery vaika teo Ampandrianomby ny faramparan’ny taona lasa teo. Raha mikisaka kely dia vao tapa-bolana ihany koa raha ela no niverina nitokona ny mpianatra sy ny mponin’Ambohipo noho ny fahatapahan-drano lava. Tena tsy misy ve ny vahaolana ka rehefa mihetsika ny vahoaka vao mikorapaka mandefa « emmo-reg » sy manao vahaolana «tip top » ? Tena izao ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT