Fahatapahan-drano lavareny

Miha mikaikaika i Antananarivo


  • Talata 28 Novambra 2023

Miha mikaikaika i Antananarivo amin’ny fahatapahan-drano lavareny,

raha ny tohin’ny fanadihadiana natao hatramin’iny omaly iny. Herinandro katroka izay no lasa. Mahatazana, Ampandrinomby, Tsarahonenana sy ny manodidina, nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ireo mponina. Anton'ny fitokonana tamin’io fotoana io ny fahatapahan-drano lavareny amam-bolana maro amin'ireo toerana ireo. Tapaka ny làlana nihazo an’iny Mausolée iny. Hatramin’ny omaly, mbola naharaisana fitarainana indray tany amin’ny boriboritany faha 5 tany. Efa ho lava izy ity, hoy ny renim-pianakaviana iray. Amboditsiry, Ambatomaro, Manjakaray. Mila manangon-drano amin’ny alina satria amin’ny 6 ora maraina faha faha tarany dia tapaka ny rano. Tsy miverina raha tsy ny hariva. Tsy dia mifanalavitra amin’izany koa ny zava-misy eny amin’iny boriboritany faha 3 iny, raha ny fanadihadiana natao hatrany, ary hatramin’ny andro alahady aza, hoy ireo mponina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT