Fahatapahan-drano efa ho 3 volana

Raikitra indray ny grevy be teny Ambohipo


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Raikitra indray omaly ny akandoro kodiarana sy fitokonana nataon’ny mpianatra

sy ny mponina eny Ambohipo noho ny tsy fisihan-drano. Nanakan-dàlana teo amin'ny « trois chemin » izy ireo noho ny tsy fahafaliany satria efa ho telo volana ny rano no tsy nandeha teny an-toerana, raha ny fanazavana. Nanao fangatahana tao amin’ny biraon'ny « Administration CROU-A » ireo mpianatra saingy tsy nahitam-baliny ny fitakiana, ka dia niroso tamin’ny fitokonana sy fandorana kodiarana. Tsy vao sambany io fa efa matetika, saingy tsy misy ny vahaolana maharitra. Tsy eny Ambohipo ihany, fa saika manerana ny tanàna io olana io, ary ny mahagaga dia ao na ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra maha be ny rotsak’orana aza izao no miseho. Tahaka ny mahazatra dia raha rano mandeha tsara no andrasana dia mpitandro ny filaminana mpandrava grevy no nalefa teny an-toerana, saingy tsy nisy aloha ny voasambotra hatramin’ny ora nanoratanay. Mitaky vahaolana maharitra ireo mpianatra. Mitombo ny mponina, fa ny fotodrafitrasa ny eo ihany no eo, ary na nisy aza ny tetikasa fanajariana ireo fatson-drano toa tsy hita izay tena vokany. Vola tsy toko tsy forohana manodidina ny 300 hatramin’ny 500 miliara isan-taona no hanohanana ny Jirama, saingy mbola olana mandavan-taona ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Tsy efa nahavitana toeram-panadiovana rano roa na telo ve raha tena natao laharam-pahamehana ny famahana olana fa tsy niaina tamin’ny vonjy tavanandro lava ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT