Sosialy

Fahasamihafan’ny vidin’entana eny an-tsena Miankina amin’ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Mampanontany tena ny mpanjifa maro hatramin’izay ny tsy fitovian’ny vidin’entana eny an-tsena, indrindra fa ny eny amin’ny toeram-pivarotana enta-madinika. Raha 400 Ar ny labozia iray amina toeram-pivarotana iray dia tafakatra 500 Ar ho an’ny toeram-pivarotana hafa tsy lavitra azy akory.

 
Raha ny fanazavan’ny tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny varotra dia tsy afaka mametra  ny vidin’entana mihitsy ny fitondram-panjakana. Miankina amin’ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady izany, hoy izy.  Ho an’ny vidim-bary manokana izay nampikolay ny maro ny vidiny teo aloha teo dia nambarany fa fanaraha-maso no nataon’ny fanjakana tamin’ireny. Ireo manafina entana ka mivarotra amin’ny vidiny lafobe no tsy ekena fa ny vidin’entana kosa samy manana ny toerana nakany azy sy ny masonkarenany ny mpivarotra tsirairay avy. Ho an-dRabetsara Lita, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa moa dia nambarany fa raha izay ilay fifaninanana dia tsy mampaninona azy ireo satria misy ihany ilay mora zakan’ny sarambabem-bahoaka. Raha sanatria kosa anefa ka mivarotra zavatra efa lany daty na efa simba ireo mpivarotra mivaro-mora dia izay no tsy azo ekena.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT