Sosialy

Fahasalaman’ny eny sy ny zaza Nanome vola 4,5 tapitrisa Euros ny Japoney


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Nanome 3,2 tapitrisa euros ny Japoney, izay haompana amin’ny tontolon’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. 1,3 tapitrisa euros kosa ho fampitaovana ny fahitalavi-panjakana TVM, raha ny fantatra nandritra ny fihaonan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny minisitra Parlemantera lefitra japoney misahana ny raharaham-bahiny Kenji YAMADA teny Iavoloha omaly.

 Nivoitra, fa hiara-kiasa amina sehatra maro toy ny fandriampahalemana an-dranomasina, ny fanavaozana ny filankevitra misahana ny fandriampahalemana eo anivon'ny Firenena Mikambana, ny fotodrafitrasa manara-penitra ary ny fiovaovan'ny toetrandro ny firenena roa tonta. Marihina fa fiaraha-miasa amin’ny Japoney ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina, izay fifanarahana efa tamin’ny andron-dRajaonarimampianina. Tafiditra amin’ny tetikasa Ambatovy ihany koa ny Japoney. Nosoniavina nandritra io ny fifanarahana mikasika ilay fanomezana mitentina 3,2 tapitrisa Euros naompana amin’ny fitaovana ara-pitsaboana natokana ho an'ny reny sy ny zaza. Hapetraka amin'ireo toeram-pitsaboana ara-panjakana manerana ny Nosy ireo, raha ny fanazavana. Anisan'izany ny fitarafana azo entina mivezivezy, ny fitaovana fanaovana “échographie-Doppler”, ny fitaovana fanaovana “échographie” azo lanjaina, sy ny latabatra fandidiana mahazatra. Ny fanomezana fiara fitsaboana sy fitaovana ilaina amin'ny fandidiana voarakitra ato anatin'ity fanampiana ity ihany koa dia nambara fa efa an-dalam-pandinihana. Asa raha mba hampihena ny saram-pitsaboana io satria tena olana eto ny tsy fahazakan’ny Malagasy an’io, ka raha marary mafimafy mila vola betsaka, dia naman’ny miandry fahafatesana eto.  Tetikasa faharoa kosa ny fanomezana mitentina 1,3 tapitrisa Euros momba ny fampitaovana eo amin'ny lafiny haino aman-jery ary teknolojia avo lenta ho an'ny Televizionina Malagasy, mba hanoloana an'ireo fitaovana fanapariahana, famoronana ary fandrafetana sary efa antitra. Io tetikasa io ihany koa dia mahakasika ny fizarana fandaharana japoney izay azon'ny TVM halefa manerana ny Nosy hanatsara ny kalitaon'ny fandaharana ao, indrindra hampiroborobo ny fanabeazana ny zaza malagasy amin'ny alalan'ny fahitalavitra. Hatreto aloha dia toa mbola zary fahitalavitry ny mpitondra samirery io.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT