Sosialy

FAHASALAMAN’IREO SAHIRANA Hiara-kiasa ny Airtel sy ny Mobile Hilfe


  • Talata 24 Desambra 2019

Betsaka ireo olona tsy afaka mitsabo tena intsony ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana .

 



 

10.000 Ar mantsy raha kely ny vola ilaina amin’izany ankoatra ny fanafody sy ireo kojakoja maro samihafa. Manoloana izany dia hiara-kiasa indray ny orinasam-pifandraisana Airtel sy ny Mobile Hilfe Madagascar, fikambanana havanana amin’ny fanavotana ain’olona. Ireo reny sy zaza no tena voakasik’izany eny fa na dia any amin’ny toerana lavitra andriana aza. Kamiao  MidMob no hampiasaina amin’izany hitaterana ireo sahirana sy tsy manan-kialofana entina hotsaboina  raha toraka izany koa ireo vehivavy handeha hiteraka. Ho an’ny  Mobile  Hilfe manokana dia fantatra fa olona an’aliny no efa navotan’izy ireo teo ambavahoan’ny fahafatesana  tamin’ny taon-dasa. Efa nanangana ivontoeram-pitsaboana ao Ambovo ihany koa izy ireo ankehitriny. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny Airtel Atoa  Eddy Kapuku moa fa izao fiaraha-miasan’ny roa tonta nohavaozina izao dia mba hahafahana manampy ireo Malagasy tratry ny tsy fahasalamana tena sahirana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’izy ireo.

 

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT