Sosialy

Fahasalamana sy fanatanjahantena Hifanampy hijery ireo mpiasam-panjakana ny Asief sy ny ANS


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Ny 75 %-n’ireo mpiasam-panjakana eto amintsika amin’izao no fantatra fa mijanona anaty birao fotsiny fa tsy manao fanatanjahantena.

 

 Amin’ny ankapobeny anefa raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha dia tena handanian’ny fanjakana volabe tokoa ny fitsaboan-tena. Vahaolana tsotra anefa, hoy izy dia efa hahafahana misoroka izany toy ny fanaovana fanatanjahantena, ny fitandremana ny sakafo hanina. Mpampiofana miisa 25 no miatrika fiofanana etsy amin’ny Ans Ampefiloha nanomboka afaka omaly haharitra 15 andro. Tanjon’ny Asief izay mpikarakara ny hahafahan’izy ireo mampita ny fiofanana eny anivon’ireo minisitera hiasany avy hananan’ireo mpiasam-panjakana fahasalamana tomombana hahafahany miatrika araka ny tokony ho izy ny asany. Ora enina isan’andro moa no miatrika fiofanana ireto mpampiofana ireto, ary hahazo mari-pankasitrahana izy ireo aorian’izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT