Mbola betsaka ireo faritra lavitra andriana tsy manana tobim-pitsaboana eto amintsika.
Anisan’ny tena mitondra faisana amin’izany ireo vehivavy handeha hiteraka ka mila fandidiana maika ankoatra ireo vehivavy bevohoka mila fanaraha-maso. Tsy latsa-danja amin’izany ireo kilonga madinika tokony hatao vaksiny sy ireo marary mila fitsaboana, indrindra fa ireo lasibatry ny aretina mitaiza sy ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Nitondra vahaolana mifandraika amin’izany ny profesora Julio Rakotonirina, minisitry ny fahasalamam-bahoaka omaly tany Ambositra. Nambarany fa hopitaly CHRR miisa 40 no hatsangana eto amintsika manomboka amin’ny taona vaovao 2020 ho avy io, asa hitohy hatramin’ny taona 2021. Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hahatanteraka ilay teny filamatra manao hoe fahasalamana ho an’ny rehetra, entina hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana. Nisy moa omaly ny fizarana fanomezana ho ana renim-pianakaviana vao tera-bao miisa 10 sy ankizy marary miisa 15 tsaboina ao Ambositra nataon’ny minisitra noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Notoloran’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny DHRD, fitaovam-pitarafana (Appareil radiologique, appareil échographique) ary matelas miisa 20 ny CHRR Maintirano. Ho avy tsy ho ela ihany koa ireo anjaran’ny CHRD Antsalova, CHRD Besalampy, CHRD Ambatomainty, CHRD Morafenobe.
Pati sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.