Ankoatra ny firaisana ara-nofo mialoha loatra ataon’ny tanora Malagasy dia miteraka sakana tsy hisian’ny fahasalamana ara-pananahana ny resaka fady sy ny fomban-drazana Eto Madagasikara.
Nivoitra tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny seminera lehibe momba ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana tetsy amin’ny Hotely Paon d’Or Ivato omaly izany. 250 teo ho eo ny mpisehatra nanatrika ary maro ny avy any amin’ny faritra. Ny fiarahamonim-pirenena no tompon’antoka tamin’ity seminera haharitra 3 andro ity ary niarahana tamin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena izany. Tokony mbola hamafisina kokoa ny resaka fandrindram-piterahana satria hita ho niakatra ny fanalan-jaza tamin’ny taona 2017. Mba hahanana ho avy mamiratra dia tsy maintsy ihoarana ihany koa ny fady, hoy ireo tompon’andraikitra. Tanjona ihany koa ny hifampizarana ny traikefa mahakasika ny fananahana. Aorian’izao atrikasa izao moa dia hisy ny tetikasa lehibe iarahana amin’ny fikambanana Tanora Garant Teen izay hiezaka hanentana ireo tanora Malagasy maro hahalala tsara ny zo ara-pananahana sy ny manodidina izany
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.