Sosialy

Fahasalamam-bahoaka Miha maro ny olona marary , zaza ny 75%


  • Zoma 05 Novambra 2021

Miha maro ny olona marary tato ho ato, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Mamy Ravelojaona. Eo ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny rivotra maloto, hoy izy.

 Eo koa ny fivezivezena isan-karazany mety mahatonga izany. Ny aretin’ny taovam-pisefoana no tena niha maro tato ho ato. Eo ny gripa, ny voan’ny sery, manavinavy, mikohaka. Ny zaza no tena tsikaritra ho miha maro voan’izany. Mety antony ny fiverenan’ireo zaza an-dakilasy. Ny fifamezivezena any am-pianarana no miteraka fifamindrana aretina. Ireo zaza manodidina ny 2 hatramin’ny 5 taona no tena betsaka tratran’izay aretin’ny taovam-pisefoana izay fa amin’ny ankapobeny latsaky ny 15 taona. Raha atao isan-jato moa dia azo lazaina hoe ny 75%n’ireo marary dia zaza avokoa, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT