Sosialy

Fahasahiranana sa hadalana ? Saika natsipiny tao anaty rano maloto ny zanany


  • Talata 04 Febroary 2020

Tena mihabiby ny olombelona. Asa na noho ny fahantrana diso tafahoatra na noho ny fahasahiranana fa renim-pianakaviana iray indray omaly teny 67 ha no nikasa hanipy

 

 ny zanany lahy vao 12 volana tao amin’ny  lakan-dranon’Andriantany izay hivarinan’ny rano maloto. Saofera mitondra fiara, sendra nandalo tamin’iny lalana iny no nahatsikaritra ny fihetsiny ka nidina avy hatrany nanavotra ilay zaza tsy manan-tsiny. Ireo mponina teny amin’ny manodidina no nanampy ilay mpamily ka avotra soa aman-tsara ilay tsy manan-tsiny.Sorena ireo fokonolona ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay reny. Natahotra ity farany  ka nitomany sy nangovitra ary nanazava  fa saika hivalan-drano teo amoron-drano izy tamin’io fotoana io kinanjo   votsotra tampoka ilay zaza.  Nanizingizina kosa ny hafa, indrindra fa ilay mpamily fa niniany natao ilay fihetsika. Naterin’ireo polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 eny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana moa ity renim-pianakaviana iray ity niaraka tamin’ilay zanany kely izay saika nalatsany tao anaty rano.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT