Sosialy

Fahasahiranana Mitombo isan’andro ireo tokantrano mivaro-pananana


  • Talata 04 Oktobra 2022

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty ka nampiakatra ny vidin’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no nahatonga izany.

Vokany, betsaka amin’ireo tokantrano Malagasy no lasa mivaro-pananana. Mitombo isan’andro izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra entana tonta iray eny Itaosy eny. Manomboka amin’ny sotro sy lovia izany ka hatramin’ny fandriana sy ny fanaka ao an-tokantrano. Renim-pianakaviana efatra isan’andro raha kely hoy hatrany ny fanadihadiana natao no tonga mivarotra ny fananany eo amin’io mpivarotra io. Misy ireo tsy mahaloa vidin-jiro, misy ireo tsy mahaloa hofantrano, raha tsy manan-kohanina no betsaka. Eo an-daniny koa anefa hoy ity Ramatoa mpivarotra ity hatrany dia mbola olana ihany koa ny fivarotana ireny entana tonta ireny. Hatao lafolafo mantsy izany manalasala, hatao mora ihany koa mamono antoka. Tsy manam-bola hividianana izany ihany koa ny ankamaroan’ny olona hoy hatrany ity mpivarotra entana tonta ankoatra ireo efa mampirim-bola mitokana mihitsy izay azo kitihana raha misy zavatra ilaina. Nomarihin’ity mpivarotra entana tonta ity moa fa mahatsiaro ho sahirana ihany koa izy ireo vokatr’izany. Mihitsoka tanteraka ao amin’ilay entana ihany koa mantsy ny vola hampiasainy rehefa tsy misy ny mpividy. Manodidina ny 5.000 Ar eo ho eo moa no alaina amin’ny vidin’ireny entana tonta ireny raha kely hatramin’ny 100.000 Ar.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT