Sosialy

Fahasahiranana Maro ireo tsy mahaloa hofan-trano intsony


  • Zoma 20 Mey 2022

Tafakatra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra iray momba ny tsy fahaloavana hofan-trano eto an-drenivohitra.

2 volana raha kely ny hofan-trano takiana amin’izany raha efa mahatratra 4 volana ny an’ny sasany. Hatramin’ny volana janoary no mankaty no nisian’izany ary tsy mitsaha-mitombo hoy hatrany ny sefom-pokontany iray. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny mpanofa trano iray dia nambarany fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana, indrindra fa ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no tena mahasempotra ny olona. Saika lasa any amin’ny fandaniana amin’ny fampandehanana ny fiainana avokoa mantsy ny vola eo am-pelatanana hany ka voakitika hatramin’ny hofan-tranon’olona. Voatery najanona nianatra ihany koa ny mpianatra ho an’ny sasany. Misy amin’ireo mpanofa vokatr’izany no mitsoaka hofantranon’olona mihitsy ary mahavita mamindra entana amin’ny andro alina raha misy koa ireo miandry roahina ary manofa sarety mba hitaomany ny entany. Ho an’ireo tompon-trano sasany moa dia ny mandroaka izany ary mampanao taratasy ireo mpanofa vaovao eny anivon’ny Fokontany no hitany fa vahaolana hahafahany mibata ny entan’ireto farany rehefa tena tsy mahaloa izany izy ireo. Tsiahivina moa fa lasa fidiram-bola tsy azo antoka intsony ihany koa ny hofan-trano vokatr’izay fahasahiranan’ny tokantrano Malagasy izay.
Pati
Legende : Sasatry ny mitaona entana tahaka izao ny olona rehefa tsy mahita hofan-trano
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT