Fahasahiranana isan'ando

Maro ny manao kibo an-tsena tsy azo antoka


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Efa tena mihatra aman'aina ny fhasahiranan'ny Malagasy na ambanivohitra io na an-tanan-dehibe.

Izay tsy hahafaty aloha no ezahana isan'andro fa tsy tena hoe miaina.
FA OHATRINONA MARINA E ?
Raha ny fanadihadiana natao dia mila 8000 ariary farafahakeliny ny fianakaviana misy olona 4 ho ana sakafo maraina atoandro hariva, kaonty farany ambany tena mihafy izany. Raha mba te hiaina kely miavaka na mihoatra ny fandaniana mahazatra dia mila omanina ny 15 000 na 20 000 ariary.Manaikitra ihany raha izay satria manodidina ny 10 000 ariary isan'andro ohatra ny fandaniana dia efa 300 000 ariary, iray volana izany ny sakafo fotsiny. Raha miampy saran-dalana, hofan-trano, jirama, saram-pianarana io dia mety tafiakatra 800 000 ariary.
TENA TSY AMPY
Tena mavesatra hoy ny raim-pianakaviana iray satria manodidina io tarehimarika io mihitsy ny vola miditra amin'ny tokantrano iray raha toa ka miasa ramatoa sy rangahy. Raha sanatria misy tsy salama na adidy tampoka mila atrehana dia efa tsy ampy avy hatrany ny vola eo am-pelatanana. Ny tena mampatahotra dia hita hoe mitombo isam- olana any anaty fiarahamonina ireo olona sy fianakaviana sahirana ary azo hanaporofoana izany ny tranga eny anivon'ireo épicerie . Mandeha be ny resaka menaka, siramamy vidiana 200 ka hatramin'ny 500 ariary. Tena sahirana ary ny hohanina ratoandro tena mbola tadiavina maraina, ny hariva..mbola ankamantatra.Izay no mahatonga an'ilay hoe aleo aza manao kibo an-tsena : 600 hatramin'ny 1000 ariary dia efa milamina ny sakafo maraina tsotsotra. Mety mandany 2000 na 3000 ariary dia voky ny atoandro.1500 ariary amina lasopy tsotsotra dia milamina ny hariva fa raha hiantsena mbola hahandro dia lasa miakatra be ny masonkarena.
RTT
(Sary fanehoana)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT