Sosialy

Fahasahiranana Betsaka ireo mpanofa trano voaraoka


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Tranga maro no iainan’ny vahoaka Malagasy nandritra ity fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny COVID 19 teto amintsika ity.

 

 

Ankoatra ny tsy fihinanan-kanina ara-dalana intsony dia tsy tambo isaina ireo very asa. Tsy lazaina intsony ireo nanadaboka ny fianaran-janany ho amin’ny taona ho avy mihitsy noho ny tsy fananana fahafahana amin’ny fandoavana ny saram-pianarana, indrindra fa ho an’ireo mampiana-janaka amin’ny sekoly tsy miankina. Ireo azo hiafiana ihany fa ny tena loza dia betsaka ihany koa ireo voaraoka tamin’ny tranony noho ny tsy fahafahana nandoa hofan-trano ara-dalana intsony. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompon-trano iray dia misy amin’ireo mpanofa no tsy nandoa hofan-trano intsony hatramin’ny volana aprily no mankaty. Ho an’ity tompon-trano ity anefa dia ny hofantranony no hividianany sakafo hanina isan’andro hany ka voatery nandroaka izy. Tsy misy intsony ny fampiomanana hoy izy na ny “préavis” satria efa efa-bolana izao ny hofantrano no tsy voaloha izay tsy hantenaina intsony ka aleo hafoy tanteraka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT