Sosialy

Fahasahiranana ara-bola Maro ireo tsy mahaloa hofan-trano ka voatery mibata entana


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Volana malaza hitoeran’ny fahasahiranana ny volana janoary fiandohan’ny taona tahaka izao.

Taorian’ny fandaniana maromaro natao nandritra ny fety mantsy dia maro tamin’ireo trosa tokony nahilika no tsy voaloha intsony ka anisan’ireny ny hofantranon’olona. Tsy vitsy araka izany ireo voaraokan’ny tompon-trano ka mihampanampana mitady trano etsy sy eroa moramora kokoa. Sarety enti-tanana 3 isan’andro raha kely no tazana mitaona entan’olona handeha hifindra trano eny amin’iny faritra Atsimondrano iny. Ankoatra ny fandriana dia saika tazana entin’ireo sarety ny latabatra kely, ny bidon miloko mavo, ny kidoro kely miampy ny sceau sy ny lovia ary ny vilany….Raha araka ny reesaka nifanaovana tamina sefo fokontany iray dia maro amin’ireny olona mifindra trano ireny no mitsoaka hofantranon’olona. Misy amin’ireto farany noho izany no mitaon’entana amin’ny alina. Maro noho izany ny fitarainana voarain’ny Fokontany ihany koa mikasika azy ireny. Tsiahivina moa fa ireo trano hofaina manodidina ny 50.000 Ar ka hatramin’ny 100.000 Ar eo ho eo no tena be mpanao izany eny amin’iny faritra Atsimondrano. Na izany aza dia taratry ny fahasahiranana lalina hiainan’ny Malagasy ny trano tahaka izao koa hiantsoana ny fanjakana ny mba hijereny izany.
Pati
Legende : Tsy maintsy mitaona entana mifindra trano tahaka izao rehefa tsy manam-bola handoavana hofantranon’olona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT