Sosialy

Fahasahiranana ara-bola Mandeha an-tongotra ny 50%-n’ny mponin’Iarivo


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Mandeha an-tongotra ny antsasa-manilan’ny mponina eto Antananarivo mandeha mamonjy ny asa aman-draharaha, raha ny tatitry ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena momba ny fifamezivezena eto an-dRenivohitra.

Anton’io ny tsy fahafahana ara-bola. Ny sasany indray noho ny toeram-ponenana lavitry ny fitateram-bahoaka. Lasa sakana amin’ny famonjena asa ny tsy fahafahana misitraka fitaterana, ary manampy trotraka ny fahantrana an-tanan-dehibe. « Noho ny tsy fisian’ny fitaterana mahomby sy sahaza, lasa manary ny herijika ahazoany vola bebe kokoa ny olona. Ny 2/3n’ny làlana aleha dia ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ary ato anatin’ny renivohitra no hivangogoan’ny 60% amin’ireo orinasa manara-drafitra na « formelles ». Ny taksibe hatreto no fitaterana be mpampiasa indrindra izay misy mpandeha 1,4 tapitrisa eo ho eo isan’andro, kanefa mety ho tafiakatra 2,7 tapitrisa izany ny 2051, raha ny tombatomban’ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy dia misy safidy betsaka, ary ny tahan’ny fananana fiara manokana ho an’ny mponina dia mbola 6% eo hatreto. Mananosarotra ihany koa ny fahateren’ny tanàna sy ny fotodrafitrasa. Misy ny tetikasa tena zava-dehibe tahaka ny làlana « rocades », ny teleferika vao hatao, ny lamasinina an-tanan-dehibe, saingy tsikaritra ihany ny olana sy tsy tena voarindra sy tsy nohalalinina, raha ny fanamarihana. Misy mantsy ny toa tsy nanaovaa tombana ara-toekarena, ara-bola, ara-tontolo iainana ary ara-tsosialy mafonja, raha ny voalazan’ny Banky Iraisam-pirenena. Lasa miteraka fanontaniana any amin’ny maha marin-toerana sy voalanjalanja ary koa ny momba ny faharetan’ilay tetikasa. Ahafahan’ny manam-pahefana isan-tsokajiny mandray fanapahan-kevitra momba ny fampivoarana fitaterana sy ny fifamoivoizana ny vokatry ny fanadihadiana natao, raha ny fanamarihan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Toky R

Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT