Sosialy

Fahasahiranana any Atsimo Mitsipaka hatramin’ny omby


  • Talata 01 Desambra 2020

Hatramin’ny omby aza tsy mahazaka intsony ny haintany sy ny kere amin’ny ilany

 

 

atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Mampihetsi-po ny fampitana an-tsary avy any an-toerana eo anatrehan’ny fisian’ireny biby ireny mitolefika tsy mahazaka intsony ny hafanana sy tsy fisiana rano. Biby sokajiana ho matanjaka azy ireny izany no manjo azy, mainka fa ny olombelona. Tombanan’ny Sampan-draharaha maneran-tany momba ny sakafo (PAM) ho 1,5 tapitrisa ireo mponina any Atsimo izay ny antsasa-manilan’ny vahoaka any no mila vonjy sy tohana ara-tsakafo maika (assistance alimentaire d’urgence). 37,5 tapitrisa dolara ny filàna hoenti-manamafy haingana ny famakiana ny vonjy voina antsimo mba hisakanana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy tsy hihombo hatrany, na dia efa isan’ireo ambony indrindra eto ambonin’ny tany aza ny eto Madagasikara. Manomboka izao hatramin’ny 2021, mihevitra ny hanitatra ny tohana ara-tsakafo ho an’olona 891 000 ny PAM. Mikarakara sy hanomboka ny programa ara-tsakafo maika any an-tsekoly, mba ahafahan’ireo mpianatra miatrika am-pitoniana ny fianarany. Irariana hirotsaka ny orana. Asa mba manao ahoana ny fijerena ny any Atsimo amin’ny tetibolam-panjakana vao nolaniana andro vitsy izay ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT