Sosialy

Fahasahiranam-bahoaka Mitohy ny antso politikam-pitsitsiana


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Nisy omaly ny antso avo nataon’ny GEN (Groupe des Experts Nationaux) miantefa amin’ny Filoham-pirenena mba hamoaka didy hametrahana politikam-pitsitsiana. Isan’izany ny :

fatsaharana ny fandoavana tambin-karama ho an'ny mpiasam-panjakana ambony, famerana ny fampiasana solika ary atsahatra ny fanomezana «chèque carburant », atsahatra ny lanonana mandany volam-panjakana toy ny fitokanana samihafa, amidy ny fiaram-panjakana lafo vidy,… Ilaina ny fitoniana, ny fifanakalozan-kevitra, ny fakan-kevitra, hoy ny GEN. Tsy vao sambany no nisy fanambarana tahaka izao fa efa betsaka no nampaneno lakolosy momba ny tokony hanehoana izay fitsitsiana izay, tahaka ny Filankevitra momba ny fampihavanam-pirenena, ny firaisamonim-pirenena samihafa,… Moa mba misy mihaino ve ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT