Sosialy

Faharendrehan-dakana tao Ankazomborona Manameloka fanondranana olona ny OIM


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Manoloana ny trangana faharendrehan-dakana haingam-pandeha tao Ankazomborona farany teo dia naneho ny

heviny ny sampana iraisampirena momba ny fifindra-monina na OIM amin’ny maha sampana mpitan-tsoroka ireo very hevitra azy ireo ihany koa. Hatramin’ny taona 2020, hoy ity sampan-draharaha ity, no efa nisiana fikasana maro hifindra monina ho atsy Maioty niainga teto amintsika. Tsikaritr’ireo tomponandraikitra misahana ny morontsiraka moa izany. Indrisy fa ity farany teo ity kosa dia tena nampidi-doza tanteraka. Ny alin’ny 11 sy 12 martsa teo dia nisy fiaingana tsy ara-dalana nitaterana olona miisa 47 niainga ny morontsiraka avaratra andrefan’ny nosy, ny marimarina kokoa dia tao Ankazomborona, kaominina ambanivohitr’I Beramanja, mba hihazo ny nosy Maioty. Fara fahakeliny dia miisa 22 ny maty vokatry loza an-dranomasina nitranga tao anatin’izany ary maherin’ny 20 isa ihany koa ireo tafavoaka velona. Manameloka ny endrika trafika sy fanondranana olombelona rehetra ny OIM. Toy izany koa ny fifindra-monina tsy ara-dalana sy mandika ny fanajana ny zon’olombelona. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo niharam-boina ny OIM ary mbola manao antsoavo ny governemanta malagasy hiara-hiasa aminy mikasika fandrindrana izay resaka fifindra-monina izay eto amintsika, hoy hatrany ny fanambaran’izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT