Sosialy

Fahapoizinana ara-tsakafo faobe Tranga fito no niseho ny taona 2019


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Betsaka ireo fahapoizinana ara-tsakafo faobe nitranga teto an-drenivohitra tamin’ity taona 2019 ity. Raha araka ny resaka

 

 

 

 

nifanaovana tamina dokotera iray tetsy amin’ny hopitaly HJRA  omaly mantsy dia tafakatra enina na fito izany ka olona marobe hatrany no voakasika. Mitovy avokoa ny fomba fitrangan’ny aretina toy ny mandoa sy mivalana, fanina raha misy mihitsy ny torana vokatry ny fanaikitry ny kibo.  Ankoatra ny menaka sy ny maionezy, hoy hatrany ity dokotera ity dia anisan’ny tena olana goavana ihany koa ny fihinanana ireo sakafo manta sy masaka miaraka toy ny sandwich  izay diso mitanin’andro loatra na dia voahidy anaty vitrine tsy tratran’ny vovoka aza. Miteraka poizina haingana ihany koa mantsy izy ireny ka miteraka loza ho an’ny fahasalamana. Ho an’ireo ankizy mpianatry ny sekoly katôlika iray teto an-drenivohitra niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe moa dia fantatra fa mbola naverina notsaboina ao amin’ny hopitaly HJRA indray omaly ilay olon-dehibe iray lasibatra voalaza fa mpahandro sakafo raha efa nalefa nody avokoa ny mpianatra.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT