Sosialy

Fahapahan-jiro matetika Fitarainana 800 isan’andro no voarain’ny JIRAMA


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Mahatratra 800 isan’andro ny fitarainana voarain’ny orinasa JIRAMA mikasika ny fahapatahan’ny jiro sy rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina isan’andro. Manoloana izany dia nitondrana fanazavana misimisy kokoa Atoa

 

 

Ralaivaoalandreo Eloi Alphonse anisan’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana. Nambarany tamin’izany fa ankoatra ny fahanteran’ny fitaovana izay mitarika fahasimbana dia misy ihany koa ny fahatapahana noho ny antony hafa. Isan’izany ny halatra fitaovana, ny fisian’ireo hazo manakaiky ny tambazotra izay mikasika na mianjera amin’ny zotra MT na BT, ny filalaovan’ny ankizy papango vita amin’ny kitapo plastika sy kofehy izay misaringotra amin’ny tarobian-jiro na bakoly ka mitarika « court circuit » indrindra amin’ny tambazotra mitondra herinaratra mavesatra. Ity farany dia mety hitera-doza toy ny fahamaizan’ny zaza mihitsy. Ilaina arak’izany ny fanaraha-maso ataon’ny Ray aman-dreny sy ny tompon’andraikitra isam-pokontany amin’ny filalaovan’ny ankizy ity kilalao iray ity indrindra amin’izao fotoana maha be rivotra izao. Eo ihany koa ny fampiasana fitaovana mampiasa herinaratra mavesatra toy ny friteuse mandritra ny ora be mpampiasa izany hoe manomboka 6 ora hariva ka hatramin’ny 9 ora alina. Miantso ny rehetra mba hahay hifanohana araka izany ny orinasa JIRAMA.

Nangonin’ i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT