Sosialy

Fahantran’ny Malagasy Mainka mahazo vahana


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Tsy mbola hita mihitsy aloha hatreto ny akony ara-toekarena entin’ny fitondrana vaovao. Mbola matroka ary tsy mbola niova hatrany ny tarehimarik’ i Madagasikara ary taraiky amin’ny lafiny maro.

 

 

 77, 60% ny Malagasy miaina latsaky ny 1,90 dolara isan’andro ary sokajiana firenena tena mahantra sy fadiranovana. Etsy andaniny anefa dia hita ho mikatso ny seha-pihariana rehetra. Miambakavaka amin’izao fotona izao ny mpandraharaha Malagasy nohon’ny tsy fahamarinan-toeran’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Hita ho miandry ny politikam-pampandrosoana entin’ny filoham-pirenena ny mpampiasa vola sasany vao alefa ny fandraharahana. Ohatry ny mbola ho ela anefa satria mbola repotra sy sempotra amin’ny fitadiavam-bola hanatanterahana ny velirano sy ny vina IEM ny fanjakana. Hita taratra ihany koa ny firoboroboan’ny sehatra tsy manara-penitra sy ny tsy ara-dalàna izay manimba sy mamono hatrany ny toekarena Malagasy. Namono lolo tam-boalohany ary variana amin’ny seho ivelany fotsiny ny fanjakana. Tsy vitsy ny mpahay toekarena efa nanambara ny tokony ho tena laharampahamehana hampihenana io fahantrana saingy ny fitadiavam-bola aloha no tena hita mahamaika ny fitondrana. Misy aza moa ireo fanapahan-kevitra efa mahakivy azy ireo sahady ny amin’ny fifanarahana sy ny zavatra soniavina satria hiteraka fampahantrana ihany hoy izy ireo. Ahiana ho very an-javona tahaka ilay vola 10,6 miliara dolara tamin’ny andron’ny HVM ihany koa, izay tsy hita mihitsy ny akony ny famatsiam-bola azo amin’izao fotoana izao. Vokatr’izany rehetra izany dia hita ho mihalalina aloha hatreto ny fahantran’ny Malagasy ary tsy vitsy no efa latsa-nenina sahady tamin’ny safidy natao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT