Fahantrana, tsy fananan’asa

Mitombo ireo vao mainka midonanam-poana amin’ny loka…


  • Zoma 31 Janoary 2025

Tsy an’asa ny ankamaroan’ny olona eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Vao maraina izy ireny dia efa mitsitokotoko mitanin’andro mamonjy vodirindrana mba hifampizaha loha sy hiresadresaka. Avy amin’izay no nipoiran’ilay loka mitety trano, raha araka ny fanadihadiana natao. Efa tsy vaovao ihany koa ny fahitana olona mitsitokotoko manao « ludo », misy ireo mandeha amin’ireny toerana misy karazana kilalao miendrika loka ireny,… Mirongatra ihany koa ny kilalao karatra na manao loto izay hitetezana tokantrano isan’andro ho an’ireo izay mazoto handray. Miainga amin’ny 500 Ar isan’olona no fandraisana anjara amin’izany, tsy hanavahana na lahy na vavy. Ilay tokantrano mandray kosa mikarakara patikely na mahandro vary ary dia mivarotra rehefa tonga ny amin’ny 12 ora atoandro. Manomboka amin’ny 1000 Ar indray ny vidin-tsakafo amin’izany raha misy mivarotra sigara sy paraky ary toaka mihitsy ny sasany. Eny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny no tena mampahazo vahana ity loka mitety trano ity ary fianakaviana maro no mivelona aminy. Rehefa faran’ny volana iny moa dia fantatra fa tafakatra hatrany amin’ny 5.000 Ar mihitsy ny fandraisan’anjaran’ny olona iray amin’ny filalaovana karatra ka tsy misy miala raha tsy maraina ny andro. Ankoatra ny toaka araka izany dia mbola fototry ny fahantrana ihany koa ny fitiavan-doka eto amintsika. Betsaka ireo tsy tonga saina hiasa sy hiotra amin’ny fiainana intsony noho ny fisian’izy ireny fa dia miantehitra amin’ny loka tanteraka.
Pati
Legende : Loka tena mahasarik’ olona ny filalaovana karatra eny anivon’ny fiaraha-monina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT