Fahantrana sy olana tsy voavaha any Atsimo

Nanolotra vary 9984 taonina ny Koreanina


  • Talata 10 Jona 2025

Nanolotra vary mitotaly 9984 taonina mitentina 12,5 tapitrisa dolara amerikana

ho an’ny Fandaharan'asa ara-tsakafo maneran-tany (PAM) ny governemanta koreanina, tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo tao Toliara. Tanjona amin’ity fanomezana ity ny manome fanampiana maika ho an’ireo mponina tena marefo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara manoloana ny tsy fahampian-tsakafo, amin’ireo distrika 10 ao anatin’ny faritra 4 (isan’izany ny any Atsimo-Andrefana), ary koa ny miantoka sakafo an-tsekoly ho an’ny 190 000 mpianatra eo ho eo any amin’ireo sekoly 586 ao amin’ireo faritra voakasika. Tamin’ny taona 2024, dia efa nanolotra 10 000 taonina ny vary ihany koa ny governemanta koreanina ho an’ny PAM, ho fanampiana ny mponina any Atsimo sy Atsimo-Atsinanana, izay tratry ny loza voajanahary toy ny haintany lava sy rivodoza miverimberina. Zava-dehibe ireny amin’ny lafiny iray satria tena marefo sy tsy tena misy mpiahy ny mponina amin’ny faritra tahaka ireny eto Madagasikara, indrindra fa ny tapany atsimo. Ilaina ihany koa anefa ny famoahana vahaolana maharitra mba tsy hisian’ny fiankinan-doha amin’ny tohana sy fanampiana lava satria tsy voatery hisy foana ny toy izao. Mila politika ara-tsosialy sy ara-toekerana mahomby fa tsy sanatria fitezana vahoaka hionona amin’ny fiandrasana tohana sy fitserana. Matetika aza moa lalaovina ara-politika mihitsy ny olana sy fahantrana. Itony izao dia ny vahiny mivantana no manolotra fa betsaka ihany koa ny fanampiana iraisam-pirenena teto izay nivadika ho fitaovana politika nentina nampalazana mpitondra sy nanabeazana voho ny antokony.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT