Sosialy

Fahantrana sy kere any Atsimo Rehefa misy maty mitsitra vao tsaroana


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Nampivarahontsana ny nahita sy nandre ny voka-dratsin’ny hanohanana any amin’ny ilany Atsimon’i Madagasikara, izay zary niteraka resabe tato anatin’ny herinandro.

 

 

 Toa tsy hita sy tsy mahataitra ny fitondram-panjakana ireny, raha tsy efa zary mipoitra sy miteraka resabe any amin’ny tambajotran-tserasera. Marina fa misy ny ambara fa tetikasa fametrahana ivon-toerana famokarana sakafo manara-penitra iarahana amin’ny orinasa goavana, toy ny Nutriset, saingy mbola andrasana aloha hoe tena hijoro sa ho tahaka ny orinasa famokarana ethanol tany Ambilobe. Nisy ny tetikasa vatsin'ankohonana nosantarin’ny fitondrana teo aloha hisitrahan’ny isam-pianankaviana vola manodidina ny amin'ny 2022 fanomezana vola fianakaviana vola 50.000 Ar eo ho eo isam-bolana, saingy tapaka sy tsy mitohy intsony sa miandry ny famoaham-bolan’ny sehatra iraisam-pirenena? Sa tsy ampy na koa hoe satria tetikasan’ny teo aloha dia hiniana tsy raharahiana sy kosehina? Efa lasa resabe vao mikoropaka hizara zavatra tsy mahavita taona ny mpitondra, izay tena ilaina tokoa, saingy tsy tena maharitra. Zary fomba fanao eto ny kizarazara, fa tsy misy ny tan-tsoroka tena hanalana ireo mponina eo amin’ny fahasahiranany. Lasa fanesoana ny Malagasy ny mahita fa mandany volabe hatrany amin’ny 277 miliara ariary amina kianja fanaovam-baolina ny mpitondra, fa jamba eo anatrehan’ny fisiana Malagasy tsy manan-kohanina mandavan-taona, ary efa misy olona maty mitsitra, vao manapaka any anaty filankevitry ny minisitra fa hitondra fanampiana maika any amin’ireo faritra lasibatra. Asa ihany koa raha mba misy olom-boafidy sy olom-panjakana ambony any amin’ireny toerana ireny na variana amin’ny politika sy ny fiarovana fitondrana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT