Sosialy

Fahantrana sy gaboraraka Tany tsy tan-dalàna no fositra


  • Talata 06 Oktobra 2020

Ny fototra iorenan’ny tany tan-dalàna dia ny fanjakana tan-dalàna. Ny fipetrahan’ny fitoniana sy filaminan-tsaina ho an’ny rehetra no fototra hahafahana miroso milamina amin’ny tena fampandrosoana.

 

 

 Anisan’ny namotika antsika sy nahatonga antsika ho anisan’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany ny tsy fisian’ izay fanjakana tan-dalàna. Tsy mahagaga raha manjaka eto amin’ny firenena ny gaboraraka satria tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny lalàna velona, manomboka amin’ny lalàna kely indrindra, hatramin’ny lalàmpanorenana. Miriaria eny amin`ny fiarahamonina ireo tsy maty manota. Mitombo isa hatrany ireo mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna. Kanefa izay manao ratsy dia tokony ho tsaraina sy ho faizina araka izay sazy sahaza azy. Noho izay gaboraraka sy tsy fanajàna ny lalàna mifehy ny firenena sy ny fiarahamonina izay no mahatonga an`i Madagasikara tsy hilamina. Zatra niaina tao anatin’ny gaboraraka mantsy ny Malagasy tao anatin’ny taona maro ka mbola sarotra no hirosoana amin’izany fanjakana tan-dalàna izany. Inona moa no atao hoe “fanjakana tan-dalàna” fa ny tokony hanajàn’ny olon-drehetra ny lalàna velona eto amin’ny firenena, ary ny fanasaziana ireo rehetra mandika lalàna, na olon-tsotra na mpitondra fanjakana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT