Sosialy

Fahantrana Olana mbola saro-bahana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Tena mbola mahantra fadiranovana ny Malagasy satria maro be no tsy mandray karama 210 000 Ar isam-bolana izany. Misy ny mandray 2 000 Ar isan’andro (60 000 Ar isam-bolana) na 5 000 Ar isan’andro (150 000 Ar isam-bolana).

 

Kanefa sady manofa trano, no tsy maintsy mividy hanin-kohanina isan’andro, mbola mandoa saram-pianarana ho an’ny zaza. Tsy resahana intsony ireo filàna hafa toy ny JIRAMA, saran-dalana isan’andro,.. Marihana fa ny 2009 -2019 no tena niha nahantra ny Malagasy na inona na inona resahana eto. Efa nidina 67% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara tamin’ny taona 2008, saingy nitranga moa ny fanonganam-panjakana sy ny savorovoro politika dia tsy nahitana fitoniana intsony teto amin’ny firenena. Nivaha ny fanarahan-dalàna, nitombo ny gaboraraka, hany ka malaina mampody ny vola (devises) ireo mpandraharaha mpanondrana entana satria tsy azon’izy ireo antoka ny toe-draharaha eto. Ny mpanambola rahateo tsy mazoto hampiasa vola, ny mpamatsy vola mbola mitsapatsapa. Vokany, tsy manam-bola ny fanjakana, ary tsy afaka mihetsika firy fa dia fampandehanan-draharaha isan’andro no atao. Ny sehatra tsy miankina sempotry ny hetra sy ny zanabolan’ny banky. Noho izany, miroborobo ny sehatra tsy miankina sy ny aferafera satria ny olona tsy maintsy mivelona, lasa tena sarotra fehezina ny Malagasy… Ny antontan’isa mazava koa moa tsy mivoaka hatramin’izao, hany ka miasa amin’ny kitsapatsapa fotsiny ny fitondrana, dia mangataka famatsiam-bola etsy sy eroa, eny fa na dia misy tsy azo antoka aza. Miteraka olana hafa indray koa io avy eo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT