Sosialy

Fahantrana mihoampampana Mamaky trano hatramin’ny tovovavy


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Manaporofo hatrany ny fahantrana mihoampampana iainan’ny Malagasy ny zava-misy eto amintsika.

Tsy mijanona eto an-drenivohitra ihany izany fa hatrany amin’ny faritra mihitsy toy ny nitranga tany Ankofafalahy Fianarantsoa omaly. Tovovavy kely iray vao 18 taona monja no tratra nangalatra vilany. Raha araka ny fantatra dia namaky trano mihitsy ity tovovavy ity ka ireo kojakojan-dakozia ireo naneno no nahatrarana azy. Sady nalahelo ity tovovavy ity moa ny tompon-trano no sorena ihany koa saingy tsy maintsy nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ihany. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy an’asa izy nefa mahalala mihinana sy mitafy antony nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy niaraka tamin’ny vilany nangalariny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT