Sosialy

Fahantrana manara-penitra Mitombo isa ireo mitrosa eny amin'ny "épicerie"


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nitombo hatrany amin’ny 50% tamin’ny volana Janoary teo sy tamin’ity volana Febroary ity ireo olona tonga maka trosa eny amin’ireo mpivarotra enta-madinika sasany.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray teny Itaosy Atsimondrano teny dia ny vary, ny menaka, ny savony no tena be mpaka indrindra ka mahavita mitrosa vary 4 kilao isan-kerinandro ny tokantrano iray. Efa mahatratra 2.800 Ar anefa amin’izao ny iray kilao amin’ny vary riz de lux izay efa mahatratra 11.200 Ar isaky ny maka ary sandaina 44.800 Ar isam-bolana. Avy hatrany dia iray litatra isam-bolana kosa ny menaka amin’ny vidiny 10.000 Ar mahery raha toraka izany ihany koa ny savony barany iray izay vidiana 10.100 Ar ihany koa ny iray. Ny tena olana hoy hatrany ity mpivarotra ity dia misy amin’ireo mpitrosa no manao vava rehefa tsy omena. Rehefa omena indray anefa dia tsy mahalala ny hataony rehefa tonga ny faran’ny volana ka misy mahavita miova lalana mihitsy ny sasany. Nomarihin’ity mpivarotra iray ity moa fa misy mahatratra hatrany amin’ny 250.000 Ar ny an’ny tokantrano iray ny trosa alainy isam-bolana miaraka amin’ny mofo dipainakely, ny kafe, ny siramamy…..eny anelanelam-potoana eny. Betsaka ihany ireo mpivarotra enta-madinika ahiana ho faty araka izany raha maromaro ireo mpitrosa mandositra volan’olona izay marihina fa vao mainka mitombo aza.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT