Fahantrana mampanaonao foana

Zaza tsy ampy herinandro nilaozan-dReniny


  • Zoma 23 Mey 2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Zaza menavava tsy ampy herinandro akory no fantatra fa nilaozan-dReniny noho ny fahantrana diso tafahoatra tao Anosizato Atsinanana I omaly Alakamisy 22 May. Raha araka ny taratasy napetrak’ilay Renim-pianakaviana dia tsy fidiny ho azy ny nandaozany ny zanany fa fitiavany azy ho velona. Apetrako aminao izy mahita azy izy hoy izy ary karakarao tsara sao ho fatin’ny hanohanana miaraka amiko. Fantatra moa fa teny amoron-dalana foana izy mianaka ireo no natory hatramin’izay, araka ilay taratasy navelany niaraka tamin’ilay zaza ihany. Najaritiana Mialy Hosea no anaran’ilay zaza, teraka tamin'ny 17 may lasa teo. Nanafatra ihany koa ilay Renim-pianakaviana fa raha sanatria tsy tafahoana intsony izy mianaka ireto dia tsy sarahina amin’ilay zaza io taratasy navelany io mba hahalalany ny tantarany rehefa any aoriana. Tena miteraka zava-doza maro no fihanaky ny fahantrana eto amintsika. Lasa manary anaka sy mamono olona ny olona ankoatra ny firongatry ny tsy fandriampahalemana….Tokony ho tonga saina ny Fitondram-panjakana manoloana izany. Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT