Fahantrana lalina

Misy mangalatra hatramin’ny varavaran-gabone


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

nisy nangalatra ny alin’ny zoma teo ny varavarany, raha ny fampitam-baovaon’ireo mponina. Tsy nisy naheno na inona na inona ireo tompon-trano fa hifoha maraina andeha hivoaka vao gaga rehefa nahita ity trano fivoahana tsy misy varavarana ity intsony. Mahantra loatra isika malagasy no dikan’izany, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo nahita ny toe-draharaha. Mety ho neverin’ilay mpangalatra fa varavarana trano fonenana kosa angamba, hoy koa ny fanehoan-kevitra hafa, saingy na ahoana na ahoana aloha dia heverina fa mariky ny fahantrana lalina foana ny fisehoana raharaha tahaka itony. Misy mangalatra hatramin’ny varavaran-gabone.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT