Sosialy

Fahantrana lalina eto Madagasikara Efa miasa ny 28% n’ireo ankizy 5 ka hatramin’ny 17 taona


  • Talata 20 Desambra 2022

Tena mihalalina ny fahantrana eto Madagasikara. Tafakatra 28% ny tahan’ireo ankizy 5 ka hatramin’ny 17 taona miasa amin’izao fotoana izao.

Ny tena mampalahelo dia mbola manao asa tsy mifanaraka amin’ny herim-batany ihany koa ny 60%n-izy ireo izany hoe : mikapo-bato na dia ny zazavavy kely aza, matsaka rano na manary rano maloton’olona raha tsy lazaina intsony ireo mangataka ary mahavita dia an-tongotra mihoatra ny 10 km isan’andro mba hahazoana vola….Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny birao iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT. Anton’ny fihaonan’ny roa tonta ny mba hahafahana manatsara ny tontolo iainan’ny ankizy eto Madagasikara indrindra fa ireo sahirana ka an’izay tokony mbola hiverina hianatra dia averina amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra hatao amin’ireo Ray aman-dRenin’izy ireny. Ho an’ireo ankizy mikapo-bato moa dia fantatra fa tsy mihoatra ny 1.000 Ar isan’andro ny vola azon’izy ireny amin’ny ankapobeny saingy mbola tsy maintsy omeny ny Ray aman-dReniny ihany koa ho fanampiana amin’ny sakafo isan’andro.
Pati
Legende : Kely dia mamelon-tena ny ankamaroan’ireo ankizy eto Madagasikara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT