Sosialy

Fahantrana eto Madagasikara Fitsinjarana tsy ara-drariny no antony


  • Zoma 15 Mey 2020

Ny fototry ny fahantrana dia ny tsy fananan` ny fanjakana vola. Tsy misy ny fiharin-karena (productivité) kanefa ny vokatra no avadika vola.

 

 Ny harinkarena anatiny faobe (PIB) moa no mari-drefo hamaritana ny fahantrana. Rehefa miditra krizy dia ambany ny harinkarena faobe . Rehefa milamina ny firenena dia 3 hatramin` ny 5% izany. Ny taona 2004 hatramin` ny taona 2007 kosa dia 7%. Tanjona tamin`ny 2009 ny mba ho lasa 10% ny PIB, saingy tsy tratra izany noho ny fikorontanana nisy teto amin'ny firenena. Amin` ny ankapobeny dia toy izany ny fampandrosoana maneran-tany. Ny zava-misy eto amintsika anefa no tena mahavariana: miakatra ny PIB kanefa miakatra ihany koa ny tahan` ny fahantrana. Raha tokony ho izy dia mihena ny fahantrana. Midika izany fa misy fitsinjarana tsy ara-drariny amin`ny fihariana ka misy, araka izany, no mahazo tombony tena ambony , fa kosa ireo tsy misitraka ny fahasalaman'ny toekaren'ny firenena mihitsy.Ankoatran'io antony mampihisatra ny fampandrosoana ara-toekarena ihany koa ny firoboroboan'ny sehatra tsy manara-penitra, izay misitraka tombotsoa amin'ny alalan'ny zavatra ataony kanefa tsy mandoa hetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT