Fahantrana eto Madagasikara

37%-n’ny ankizy no efa miasa mamelona ny fianakaviana


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Ny 37 % -n’ny ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no fantatra amin’izao fa miasa mamelona

ny fianakaviany vokatry ny fahasahiranana. Ankoatra ny asa an-tranon’olona dia tsy vitsy ireo mikarama mivarotra, mibata entan’olona, mitaom-biriky, matsaka rano raha misy koa ireo efa misehatra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sahady. Anisan’ny sakana tsy hahafahan’izy ireny mandeha mianatra ara-dalana any an-tsekoly izany. Ho an’ny Faritra Anosy manokana ohatra dia ankizy madinika miisa 3.000 efa niasa no tafaverina an-tsekoly tamin’ity taom-pianarana vaovao ity. Vokatry ny Ny fandaharan'asan'ny UNICEF " Back to School Learning" izay mikendry ny hanampy ireo ankizy hiverina an-tsekoly narahin’ny fanomezana azy ireo fitaovam-pianarana sy fampiofanana mpampianatra no nahafahana nanatanteraka izany. Hiparitaka amin’ny faritra maro ity tetikasa ity. Nanampy ihany koa ny Ministera tompon’andraikitra. Mbola hitohy amin’ny fanentanana ny Ray aman-dReny sy ny fiaraha-monina manontolo mihitsy izany ho fitsinjovana ny ho avin’ireo ankizy madinika manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Miasa tahaka izao ny ankamaroan’ireo zaza tsy ampy taona eto amintsika vokatry ny fahantrana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT