Fahantram-bahoaka nanomboka ny 2009

Ireo fositra indray no manome lesona!


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Marobe ankehitriny ny adihevitra manoloana ny toe-draharaham-pirenena,

indrindra fa ity raharaha fanampoizinana sy fahampoizinana ara-tsakafo niandoha tao Ambohimalaza ity. Fifanakianan’ny samy olompirenena, tsy anavahana, matetika, indrindra, eny amin’ny tambazotran-tserasera eny moa rehefa misy tranga misongadina tahaka an’io ny hoe lasa manam-pahaizana na «expert» momba ilay raharaha daholo ny ato anatin’ity tambazotran-tserasera ity. Azo lazaina hahitàna izany betsaka indrindra ny tambazotra Facebook, izay ampiasain’ny maro an’isa amin’ireo mikirakira izay tambazotran-tserasera izay. Somary nanaitra ihany ny nahita ny fanehoan-kevitr’ireo isan’ny nandray anjara sasany tamin’ireny raharaha 2009 ireny, izay mbola sady anatin’ity fitondràna naorin’izany raharaha izany ity hatramin’izao, ny faran’ny herinandro teo, izay nilaza fa «Betsaka ihany izay raharaha maha «expert» antsika malagasy izay fa tsy mety «expert» mihitsy isika amin’izao fotoana izao amin’ny fialàna amin’ny fahantrana.». Tsy efa niakatra ve moa ny tahan’ny harinkarem-pirenena nialohan’ny raharaha 2009? Tsy vokatry ny fandrombàna sy fandorana fihariana samihafa nitranga tamin’ireny fotoana ireny ka namoizana aina malagasy an-jatony maro sy nahaverezan’olona an’aliny asa ve moa no niandohan’izao fahantram-bahoaka niroborobo tato anatin’ny 16 taona izao? Ny fitondràna ankehitriny no tsy mahay manangana intsony ny narodany sa ny vahoaka malagasy tokoa no diso manoloana ny fahantrana mianjady aminy ankehitriny? Ireo namboly sy mampiroborobo azy indray no manome lesona, araka izany, ankehitriny, manoloana ity fahantram-bahoaka mbola iaraha-miaina hatramin’izao nanomboka ny taona 2009 ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT