Sosialy

Fahamamoana an-dalambe Mety hampiditra “violon” sy handoavan-tsazy


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Nanambara ry zareo ao amin’ny Kaomisiona nasionaly miady amin’ny alikaola eto Madagasikara fa maro ireo lalàna manididina ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola mbola manankery hatramin’izao eto amintsika ka an’isan’izany ny hoe : -

 

 

 

 

Tsy fahazoana mivarotra toaka ao anatin’ny fanatanterahana ny fety natokana ho an’ny ankizy misy an’ireny “manège” sy soavaly hazo sy ny karazany ireny na ny antsoin’ny vazaha hoe : “fête foraine”. -Tsy mahazo atao ny misotro toaka an-kalamanja toy izay ataon’ny sasany eny ivelan’ny fiara ankehitriny ireny. -Tsy mahazo mivarotra sy mividy toaka ny zaza tsy ampy taoana. -Tsy azo atao ny manao mamo an-dalambe ka manakorontana fiaraha-monina fa mety hampiditra “violon” miaraka amin’ny fandoavana sazy vola ihany koa. Fantaro koa, hoy hatrany ity Kaomisiona ity, fa iray isan’andro ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitondrana môtô eto amintsika ary saika vokatry ny fahamamoana avokoa.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT