Tantsaha amina tokantrano miisa 1 600 ao amin`ny kaominina dimy (Ambonanindovoka, Ambohimahamasina, Ambohimandroso,
Vohitsaho ary Besoa) ao amin`ny faritra Matsiatra Ambony no notoloran`ny Filoha fitaovam-pamokarana toy ny zezika 74t sy fitaovana fambolena « motoculteurs » miisa 100. Tanjona ny fampitomboana ny voka-bary avo efatra heny entina hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo izay ao anaty vinam-pampandrosoana IEM, hoy ny filoha Rajoelina nandritra ny lahateniny. Fanamby ny fahaleovantena ara-tsakafo ka noho izany, mila hampiana ireo mpamboly, ireo tantsaha, ireo mpamokatra. Misy ny “champ-ecole-producteur”, hoy izy, izany hoe eny an-tsaha no atao ny fampianarana ahafahana mampitombo ny vokatra. Fahavitan-tena ara-tsakafo miainga amin’ny fanampiana ireo tantsaha, ahafahana mamokatra vary 5 taona isaky ny hektara farafahakeliny. Hisitraka fotodrafitrasa toy ny fanamboarana CEG manara-penitra, tsena ary ny fanajariana ireo lalana mampitohy ireo kaominina ao an-toerana ihany koa ny distrikan’Ambalavao. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fanatsarana ny lemaka any amin`io distrika io. Tsy misy afa-tsy ny fiarahana miainga eo amin`ireo tantsaha Malagasy sy ny mpitondra no hahatafavoaka ka hahafahana ho mahaleotena ara-tsakafo. Tsy hianona fotsiny amin`ny fidradrana hoe mivelona amin`ny fambolena sy ny fiompiana ny 80%-n`ny malagasy satria tsy mahavelona izany. Tsy afaka mamokatra ho an`ny vahoaka iray manontolo izy ireo. Mila manampy ny fanorenana, fanamboarana, fitantanana ary fikolokolona ireo fotodrafitrasa eny ambanivohitra anefa ny fanjakana. Laharam-pahamehana tokoa ny fiezahana hahamatihanina ny tantsaha eo amin`ny sehatry ny fambolena ahatongavana eo amin`ny fahaleovantena ara-tsakafo saingy mifanohitra amin`izay ny zava-nisy nandritra izay sivy volana nitondran`ny filoham-pirenena. Ohatra ny vary: vahaolana fohy ezaka sy tsy mitondra fampandrosoana eo amin`ny firenena ny fanafarana vary ataon`ny fanjakana hampidinana ny vidim-bary. Tsy mahavita ny fampidinana ny vidiny akory izany vahaolana fohy ezaaka izany. Mahazo tombony mihoapampana ny orinasa mpanafatra saingy mihena hatrany kosa ny fahefa-mividy vary ho antsika ary mosarena mihitsy ny faritra sasany. Manana vina maharitra ve ny fanjakana sa tandrametaka fotsiny manoloana ny fahaleovantena ara-tsakafo ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.