Sosialy

Fahaleovantena ara-tsakafo 100 000 Ha no hohajariana


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

“Tsy maintsy tratrarina ny tanjona amin`ny fahavitan-tena ara-tsakafo”, hoy ny filoha Rajoelina, nandritra ny fanamarihana ny taom-pambolem-bary 2019-2020 tany Sarobaratra Ifanja faritra Itasy.

 

 

 

Politika fambolem-bary efa voafantina no niarahana namolavola tamin`ireo teknisianina teratany vahiny. Masomboly 300 taonina no hotsinjaraina amin’ireo faritra sompitry ny vary dia Alaotra Mangoro, Analamanga sy Itasy. Ny 100 taonina no efa vonona sy azo ampiasaina amin’ity taona ity ary ny 200 taonina, ambiny kosa hotsinjaraina amin’ny herintaona. Nambaran'ny filoha Andry Rajoelina tao Sarobaratra Ifanja ihany koa fa apetraka manerana ny faritra rehetra ny dokany mora izay hahafahan’ireo tantsaha mividy, amin’ny vidiny mirary, ireo fitaovana ilain’izy ireo toy ny masomboly, zezika, fanafody biby kely. Hisy ihany koa ny fifaninanana kararakain’ny fitondram-panjakana ka izay tantsaha manana taham-pamokarana lehibe indrindra dia hahazo velaran-tany mirefy 10 Ha hambolena. Fanamby tokoa ny hampitomboana ny velaran-tany hambolena mba hahafahantsika mamokatra ny vary sahaza ny filan’ny mponina. Noho izany lemaka eo amin’ny 100 000 Ha no hohajarian’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny dimy taona, izay hamokatra 7 hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara. 35 000 Ha amin’izany no efa vita ankehitriny.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT