Sosialy

Fahadiovan’ny tanana Mbola mila entanina sy ampianarina ny olom-pirenena


  • Talata 26 Oktobra 2021

Ho fanamafisana ny velirano fahadimy napetraky ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina hoe "Fahasalamana ho an'ny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona"

 dia notanterahana omaly tao amin'ny hotely Carlton Anosy ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny hetsika nasionaly ho an’ny fahadiovan'ny tanana ho an'ny rehetra, hoy ny fampitam-baovao voaray. Anisan' ireo paikady entina hisorohana karazana aretina maro azo avy amin'ny alalan' ny loto ny fanasana tanana amin'ny rano sy savony. Fomba tsotra nefa mahomby amin' ny fisorohana ny fifindran' ny aretina mifindra amin' ny alalan'ny otrikaretina ny fanatanterahana izany. Fihetsika tsotra, tsy andaniam-bola be nefa ahafahana miaro ain'olona maro ny fahadiovan’ny tanana ka hatao vaindohan-draharaha sy hapetraka ho paikady mahomby entina hiadiana amin'ny karazana aretina maro. Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran' ny Fampianarana sy ny Ministeran'ny Rano, Fahadiovana sy Fidiovana ary ireo mpiara-miombon’antoka no niara nisalahy nahatanteraka izao hetsika izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Isan’ny mampiheritreritra ihany hoe aty amin’ny taonjato faha 21 no mbola misy firenena mila entanina sy ampianarina manasa tanana ny vahoaka eo aminy ary dia I Madagasikara izany. Hatramin’izao ve izany dia mbola tsy misy paikady mahomby hahatongavan’izany ho lasa fahazaran’ny olompirenena sy mandeha ho azy? Aiza moa no tsy ho mbola tamana eto foana ireo aretina mariky ny fahantrana toy ny pesta sy ny kolera ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT