Sosialy

Faha-50 taonan’ny Eau Vive Hisy fifaninana maka sary hahazoana loka


  • Zoma 13 Novambra 2020

Feno 50 taona ny rano voavotra Eau Vive, an’ny orinasa Star. Nanomboka omaly ny fankalazana, izay nosantarina tamin’ny fitsidihana ny ozinina SEMA eny Andranovelona, niarahana tamin’ny mpanao hetsika.

 

 Hetsika maro samihafa no entina hanamarihana izany. Hisy ohatra ny loka omena ny mpanjifa izay mandefa doka fohy eny amin’ny haino aman-jery tao anatin’izay 50 taona niarahana izay. Toraka izany koa ny ao anatin’ny pejy fesibokin’ny Eau Vive izay hisy lalao lehibe hahafahan’ny rehetra mifampizara ireo sariny miaraka amin’ny Eau vive 50 taona. Tsy hanavahana ity lalao ity fa natao ho an’ny rehetra. Na izany aza hisy kosa ny mpitsara matihanina hijery izany arahin’ny fifidianan’ny daholobe hahafahana mijery izay sary mendrika indrindra. Hahazo loka tsy hampoizina moa ireo sary telo voalohany tsara indrindra. Tsiahivina moa fa ho hita amin’ny etiketin’ny tavoahangina Eau vive izany fankalazana ny faha-50 taonany izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT