Sosialy

Eulalie, nanavotra zazakely tra-doza Notoloran’ny Filoha mariboninahitra


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Araka ny vaovao sy ny resaka efa nandeha dia tontosa ihany ny fandraisan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ilay tovovavikely 16 taona, Heriniaina Eulalie Rafaramalala na Eulalie no fiantsoana azy.

 

 Nanavotra zazakely herintaona sy 3 volana lasan'ny rano nandritra ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomena Arivonimamo, teo amin’ny tetezan’Iombifotsy izy ny 01 jolay teo. Raha hiverenenana dia 4 no maty teo noho eo, ary niampy iray taty aoriana rehefa nivarina tany anaty rano ny kamio lehibe iray, ka isan’ny tao anatiny ilay zazakely sy ny reniny, saingy lasan’ny rano ity farany, ka Eulalie no nanavotra azy sy nitondra azy teny amin’ny Hopitaly HJRA. Notoloran'ny Filoham-pirenena ny mari-boninahitra "Chevalier de l'Ordre du Mérite de Madagascar" i Eulalie, izay nasandratra ho Mahery Fon'ny Firenena. Mariky ny fankasitrahana ihany koa ny handraisana an-tànana manontolo ny fianarany sy ny fiofanana izay ho rantoviny manomboka eto. Izy sy ny reniny moa no noraisin’ny filoha. Nalaza ilay teratany Malianina Mamoudou Gassama nanavotra zazakely teny amin’ny rihana faha-4 tany Paris ny 26 mey teo, fa isika ihany koa izany mba manana an’i Eulalie, izay sokajiana ho mahery fo.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT