Sosialy

Estellah tsy hita popoka Nampijaliana avy eo nesorina ny ainy…


  • Zoma 27 Desambra 2019

Tamin’ny talata 24 desambra lasa teo no very tsy hita rehefa nilalao teo an-tokotaniny, teny Anjanadrambony Itaosy, i Manana Estellah, zazavavikely manodidina ny 5 na 6 taona eo.

Tsy hita io zaza io hatramin’ny omaly saingy niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook kosa fa misy fatin-jazakely hita teny Faliarivo Ankaditany, izay nisy itovizana betsaka taminy. Rehefa natao tokoa ny fanadihadiana dia tena i Estellah kely ilay very  io namoy ny ainy io. Tao anaty rano teny Malaza Ampitatafika  izy no hita raha ny loharanom-baovao. Nifatotra ny tànany ary efa nisy namono tao anaty lamba ny nofo mangatsiakany.  Nokendaina tamin’ny silipony ihany izy ary azo heverina fa natsipy tao anaty rano rehefa maty, raha ny fahitana azy. Tsy nisy fanolanana anefa raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo nijirika ny razana. Famonoana tsotr’izao fotsiny izany no tena nitranga. Torana nifamonjena avy hatrany moa ny reniny nandritra ny fotoana nahitana ny razana, hoy hatrany ny vaovao. Andrasana ny fanadihadiana ary irariana mba ho sarona izay tsivalahara tao ambadiky ny famonoana zaza tsy manan-tsiny tahaka izao. Hoentina amintsika eto ihany ny tohin’ity fahaverezan-jaza hita faty  teny Itaosy ity.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT