Sosialy

Erick Rajaonary Manampy ny Tantsaha


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Notanterahina ny sabotsy 4 aogositra lasa teo teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka nandritra ny hetsika FIER Mada ny fanaovana sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny orinasa Guanomad sy ireo fikambanana tantsaha maro isan-karazany.

 

Ny tanjona moa dia ny fifanampiana eo amin'ny samy Malagasy, eo ihany koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Maro ny tombontsoa ho azo anatin'ity fifanarahana ity, toy ny fiofanana maimaimpoana, ny fizarana traikefa, ny fifanampiana amin'ny fitadiavana tsena ho an'ireo vokatra. 70 mahery ireo fikambanana nanao sonia tamin’io sabotsy io ary mbola hoentina any amin'ny faritra maro eto Madagasikara moa ity tetikasa ity. Nampanantena hatrany Atoa Erick Rajaonary mpitantana ny orinasa Guanomad fa hanohana ny tantsaha sy ny mpamokatra izy satria ireo no seha-pihariana maro an’isa indrindra eto Madagasikara ary miantoka ny aim-pirenena. Tokony hahavokatra ho azy ary mbola afaka mivarotra amin’ny tsena eto an-toerana sy hanondrana any ivelany ny tantsaha. Asa iray tsy maintsy atrehana ihany koa ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana mba hampitombo ny vola miditra amin’ny mpamokatra sy ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT