Efa mihatsara ny toe-pahasalaman’i Eric Fou hehy ankehitriny, raha somary nampanahy kely teo aloha.
Araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo fianakaviany mantsy dia efa tontosa omaly talata 15 mey ny fanim-polon’ny dialyse nataony ary efa tena nahitam-bokatra, toy ny fanoloana ireo ra maloto tao anatin’ny marary hanjary ho ra madio. Nanambara ireo fianakaviana fa efa be dia be ny vola lanin’izy ireo tamin’ny fitsaboana an’i Eric Fou hehy. Mikasika ny fandehanany mankany ivelany hanaovana ilay “transplantation” na grefin’ny voa indray moa dia nanambara ireo fianakaviany fa tsy maintsy handeha i Eric fa ny fotoana no tsy fantatra. Miankina amin’ny vola eo am-pelatanana izany na dia efa nampanantena aza ny fitondram-panjakana, ankoatra ireo hetsika maro samihafa hitadiavam-bola hahafahana manampy sy manohana ity mpanao hatsikana malaza iray ity. Tsiahivina fa aretina azo sorohana tsara ny aretin’ny voa. Vokatry ny fiakaran’ny tosidra avo be, ny fihinanana sakafo matsiro ary ny tsy fahampian-drano no mahatonga ny aretina. Manampy trotraka izany ny fisotroana tambavy tsy nahazoana alalana avy amin’ny dokotera. Amin’ny alalan’ny fivalanan-drano izay mandroatra toy ny savony no hahafantarana fa marary voa ny olona iray. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia betsaka ireo olona mararin’ny voa ka dimy taona no zandriny indrindra. Betsaka ihany koa ireo efa namoy ny ainy satria tsy maharaka ny fanaovana ilay dialyse izay andaniana 5 tapitrisa Ar isam-bolana. Manodidina ny 60 sisa ireo mivondrona ao anatin’ny federasionan’ny marary voa izay mangataka ny hanaovana maimaimpoana ny “transplantation” eto amintsika. Efa vitan’ireo dokotera manampahaizana eto amintsika ireny saingy ny fandanian’ireo solombavambahoaka ny lalàna etsy Tsimbazaza mihitsy no mbola olana. Ny fanaovana dialyse sy ny transplantation ihany moa no hany vahaolana hahafahana manavotra olona iray mararin’ny voa eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.